27.05.2009

Hianaro ny fahendrena amin’ny alalan’ny adalan’ny sasany !

Dia olon-kendry tokoa ny Malagasy! Tsy dia noho ny fahatahorana ny ampitso loatra fa noho ny fahaizany maminavina ny ho avy. Tsy ny tody no misy fa ao ny tantara manamarina fa tsy nisy fanjakana na iray aza tafajoro ka niala tam-pamendrehana teto Madagasikara. Na toy inona ny hafanam-pon’ireo « madinika » nametraka azy, na toy inona ny zava-bitany teo amin’io toerana io dia ravan’ny fikomiana sy ny hiakan’ny « masikiny tsy mahadiny raha ela » ny kely mba voajoro.
Toy ireo voaozona, tsy afaka ny hanaiky fa ny toerana dia natao ifandimbiasana, ny adidy amin’ny firenena dia ambonin’ny « didiko fehy lehibe » ary ny fahefana nomena dia tsy maintsy averiny, na ho ela na ho haingana. Tsy mbola nisy na iray aza mpitondra ka nihevitra fa ampy ho azy ny fahefana nomena azy (ao anatin'izany ny fotoana itondrany). Tsy mbola nisy mpitondra nanaiky fa tsy mahafeno ny fepetra ahafahany mandray ny fanjakana izy (isan’izany ny taona ary indrindra ny fahazoana ny isa ilaina amin’ny latsa-bato, hany marika fa izy no safidim-bahoaka).
Tsy mbola nisy mpitondra nanaiky fa tsy voatery ho marina avokoa ny heviny na ny fomba fijeriny ka azo atao tsara ny mifampidinika, miady hevitra, mifandresy lahatra amin’ireo manan-kevitra hafa na dia tsy hiafara amin’ny fitoviana tadin-dokanga aza izany.
Tsy mbola nisy ihany koa ny mpanohitra ka nahay nandresy lahatra raha tsy tamin’ny fitarihina ny vahoaka hanongam-panjakana, hidina eny an-dalam-be, hanao diabe na hilahatra haneho ny tsy hafaliam-pony. Tsy izany ny fahendrena malagasy.
Tsy midika anefa izany, fa tokony hotohaina avokoa ny mety ho hevitr’ireo « olon-kendry », tsy hitodian-doha ny laka nitana, saingy na misy aza ny fototra, dia ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Izany ny fahendrena malagasy. Be loatra ny hevi-diso noho ny fankatoavana an-jambany. Be loatra ny hadisoana noho ny fijerena ivelany fotsiny, takon’ny setroky ny fandangolangoana ka tsy mahita izay lesoka dieny am-boalohany. Mihoatry ny loha ny nenina noho ny vato namidy, nosandaina satroka sy T-shirt ary vola amidy kafe, satria mbola betsaka ny mihevitra fa vato iray iny ka tsy hitondra izay nividy azy ho aiza akory… Aza adino anefa fa ny hendry loholona ihany no hendry vahoaka.
49 taona taorian’ny nahazona ny fahaleovan-tena sy ny fahefana, dia mitohy ny ady amin’ny bodongerona. Nafantoka tao an-dohan’ny vahoaka indray ny demokrasia « ny fahefana avy amin’ny vahoaka ho an’ny vahoaka » nalain-tahaka tamin’ireo firenen-dehibe… Ary hatramin’izao, dia tsy mitsahatra ny fifampisintonan-damba eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Amin’ny alalan’ny demokrasia sy ny fahefana nomena azy avy!

Haingo Rarivoson

L'Express de Madagascar 25-05-2009

 

Trackbacks

Voici l'URL pour faire un trackback sur cette note : http://haingo.hautetfort.com/trackback/2212765

Ecrire un commentaire